Sport

Fandresena manan-tantara Lavon’i Madagasikara i Nizeria


  • Alatsinainy 01 Jolay 2019

Nanakoako tamin’ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena ny zava-bitan’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra hatry ny halina.

 

 

 

 Mitohy ny fametrahan’ny Barean’i Madagasikara tantara any amin’ny CAN 2019 amin’izao fandraisany anjara voalohany izao. Lavon-dry Faneva Ima tamin’ny isa 2-0 be izao ny andrarezina Nizerianina omaly teo amin’ny lalaom-bondrona farany natrehan’izy ireo tao amin’ny kianjan’Alexandrie any Egypte. I Bolida no nahatafiditra ny baolina voalohany matin’ny Malagasy teo amin’ny minitra faha-13 aryi Carolus tamin’ny alalan’ny “Coup Franc” nodakany kosa no nampiditra ny baolina faha-2 teo amin’ny minitra faha-53 ary izy ihany koa no voahosotra ho “homme du match” tamin’ity lalao omaly ity. Nampidelira zy nampitambatra ny mpitia baolina Malagasy nanerana ny nosy io fandresena azon’ny Barea io ka saika nivoaka ny trano naneho ny hafaliany tamin’ny horakoraka sy fitsofana mozika an-dalana ary ny fanapoahana sarom-bilany nanerana ny firenena. Teo amin’ny lalao faharoan’ny vondrona B notontosaina omaly dia resin’i Guinée tamin’ny isa 2-0 koa i Burundi.  Tafakatra avy hatrany hiatrika ny lalao ampahavalon-dalana izay hanomboka amin’ny 5 ka hatramin’ny 8 jolay 2019 any Egypte ny Barea Malagasy voalohany ao amin’ny vondrona B manana isa 7 sy Nigeria faha-2 manana isa 6. Faha-3 kosa i Guinée manana isa 4.

 

Voka-dalao hafa andro faha-3 farany ho an’ny Vondrona A :

Ouganda - Egypte ( 0 - 2 ) ; Zimbabwe - RD Congo ( 0 - 4 )

 

Fandaharan-dalao vondrona  C sy D anio alatsinainy 1 jolay :

07 ora hariva malagasy : Afrique du Sud # Maroc (D) ; Namibie # Côte d'Ivoire (D)

10 ora alina malagasy : Tanzanie # Algérie (C) ; Kenya # Sénégal (C)

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT