Sport

Fandrefiala Club 57 taona nitaizana tanora


  • Sabotsy 17 Desambra 2016

Klioba voalohany nitondra anarana Malagasy, nijoro tamin’ny taona 1960 ny Fandrefiala Club.

Manome lanja manokana ny fanatanjahantena sy ny fanabeazana ny klioba satria tanora ny ankamaroan’ny mpilalao mpikambana ao aminy ary misy 300 ny manana kara-pilalaovana (licenciés). Ny taranja baskety no tena ahafantarana ny Fandrefiala. Ahitana mpilalao lahy sy vavy ary amin’ireo sokajin-taona rehetra ao aminy. Tsara ny ezaka vita sy dingana natrehan’ny klioba tamin’ny taom-pilalaovana 2016, ka naha tompondakan’i Madagasikara ny U14 sy N1A teo amin’ny sokajy vehivavy, voahosotra ho mpilalao mendrika ny mpilalaony. Fa mifanojo indrindra amin’ny fitsanganan’ny birao vaovao tarihin’i Andriamananjezika Fehizoro Ony ny fiatrehana ny taom-pilalaovana 2017. Nametraka vina sy fanamby ny birao fa hanandratra avo ny lanjan’ny fanatanjahantena, indrindra ny baskety eto Madagasikara, eny fa na amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza. Niantso ny tanora vonona hanatevin-daharana ny Fandrefiala ny mpitantana ny klioba tamin’ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Coeur d’Amande Bel’Air, miantso ny malala-tanana sy mpiara-miombon’antoka ihany koa hifanome tanana amin’ny fabeazana ny tanora sy fampiroboroboana ny fanatanjahantena Malagasy.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT