Sport

Fandraisana ny lalaon’ny nosy Nialohavana savorovoro sy fahafaham-baraka


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Fiaramanidina kely iray no nianjera tao Besakoa omaly ary namoizana ain’olona.

Nitaraina ho tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo na “intoxication alimentaire” ireo atleta avy amin’ny nosy rahavavy izay mandray anjara amin’ity lalaon’ny nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina andiany faha 11 atao eto Madagasikara ity toy ireo maorisianina. Nitaraina toy izany koa ireo mpitsara lalao kaomorianina izay natao hitsara ny fifanandrinan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea sy i Seychelles omaly hariva. Lozam-piarakodia mahatsiravina no nitranga tany Fandriana ka namoizana ain’olona iray sy naharatrana olona miisa 13,... Nialohavana savorovoro sy fahafaham-baraka, araka izany, ity lalaon’ny nosy andiany faha 11 atao eto Madagasikara ity. Teo koa ny mpitandro filaminana nandaroka mpianatra nitaky zo teny Ankatso. Mpianatra kely iray no nanaovana mpitandro filaminana am-polony mirongo fitaovam-piarovana sy azo lazaina koa hoe fitaovam-piadiana angaredona. Mbola isany ihany koa ny mpanao politika nosakanana mpitandro filaminana maro tsy hanao fanambarana teny amin’ny Yandy By Pass. Omaly avokoa izany tranga mainty na “série noir”, araka ny teny vahiny izany, no niseho teto amin’ity firenena ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT