Sport

Fandraisana ny Barea tetsy Mahamasina Nafarana mafy ireo ray aman-deny nitondra zaza


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Vahoaka maro be omaly folakandro no tazana tetsy Mahamasina nitsena ny ekipam-pirenena Barea avy nifaninana tany amin’ny CHAN tany Alzeria.

Nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato izany niaraka tamin’ny babampa sy ny fitsofana kirioka, nitohy teny amin’iny lalam-baovao Tsarasaotra iny…Niasa mafy vokatr’izany ny mpitandro ny filaminana. Ireo izay nitondra zaza no tena voakasik’izany nisorohana ny mety ho fahaverezan-jaza, tranga izay miseho matetika rehefa misy lanonana mahavory vahoaka tahaka iny omaly iny. Niantso izay nahita zaza very ihany koa ny mpitandro ny filaminana nandritra izany mba hampandre azy ireo avy hatrany raha toa ka nisy izany. Efa hariva mihitsy moa vao saika niverina tamin’ny laoniny avokoa omaly ireo tobim-piantsonan’ny taxibe voatery notapahina tamin’ireo lalana nolalovan’ny Barea nahafahan’ny vahoaka niara-paly tamin’izy ireo.
Pati
Legende : Tetsy Mahamasina omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT