Sport

Fandraisana an’i Mathias tany Antsiranana Nanehoan’ny IRD toe-tsaina mirefarefa indray


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2022

Notsenaina tahaka ny manam-pahefana tao Antsiranana tanàna nihaviany i M'Madi Mathyas ny sabotsy teo.

Izy izay tsiahivina hatrany fa voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra nandritra ny Afrobasket U18 notanterahina teto Madagasikara. Nitsena azy teo am-pahatongavana Rtoa Jocelyne Maxime, filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, ary manam-pahefana ao an-toerana hafa sy tanora maro be. Henin-kaja henim-boninahitra ity mpilalao basikety Malagasy vao 17 taona ity satria noraisin’ny vahoakan’Antsiranana tahaka ireny mahery fo ireny. Tetsy ankilany anefa, nampidiran’ny olon’ny fitondrana IRD loko politika, kajy politika maloto, toe-tsaina mamohehitra, fikajiana ny politika malotony,… indray ity fitsenana an’I Mathias M’Madi ity. Raha ny fampahalalam-baovao nataon’ny Kaominina ao an-toerana mantsy, tsy navelan'ny manam-pahefana sasantsasany ao Antsiranana noraisin'ny Kaominina ambonivohitr’Antsiranana I Mathias. Voalaza anefa fa efa nifanaraka tamin'ny Kaominina Renivohitra ao Diégo-Suarez i Mathias M'Madi sy ny dadany fa omena ny mariboninahitra "Citoyen d'Honneur de la Ville" saingy tsy navelan'ny manam-pahefana sasany izy ireo andeha tao amin'ny "Hôtel de la Ville" raha efa vonona avokoa ny fandraisana azy sy ny zava-pisotro ary sakafo isan-karazany izay tokony tamin'ny 11 ora sy sasany atoandro teo ny fotoana tokony hatongavany izy ireo tao ny sabotsy teo. Tsara ny manamarika fa lany tamin’ny lokon’ny tsy miankina ny ben’ny tanànan’Antsiranana Atoa Djavozajara Jean Luc, efa ela no nisy ny lonilony teo aminy sy ny Depiote Jocelyne Maxime, ka heverina fa noho izany no nahatonga ity karazana ankasoparana ity. Ny resaka lonilony politika ve no hanaovana fihetsika sy toetra amam-pihetsika mirefarefa amin’ny tany tahaka izany? Fananan’ny IRD-MAPAR manokana angaha I Mathias M’Madi? Isan’ny manimba ny fanatanjahantena io kajikajy politika isak’izay mandeha io. Mbola ampidirana fialonana sy tahotra tahaka ny fanao amin’ny hetsika politika ihany, ka any amin’ny efa tsy tokony hanao azy no hampiharana ny toe-tsaina lomorina. Mihevitra ve ny volomboasary fa ho tombony ara-politika ho azy izany? Aleo ny ho avy no hitsara ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT