Sport

Fandefasana mivantana ny CAN 2019 Azo arahina amin’ny Canal + indray ny TVM


  • Alatsinainy 24 Jona 2019

Mba ho fanomezana fahafam-po ny mpitia baolina kitra manerana ny nosy dia nanapa-kevitra ny hanambatra ny heriny ny ORTM sy CANAL +, ka azo arahana amin’ny TVM alefan'ny Canal + ireo lalao tafiditra amin’ny CAN 2019.

 

 Nohamafisina kosa anefa fa tsy azo atao fitadiavam-bola ny fandefasana an-kalamanjana ny sarin’ny TVM. Nivaha aloha izany ny olana ho an’ireo toerana tsy ahazoana mivantana ny TVM kanefa misy Canal+. Ho an’ireo tsy ahitana izany kosa, dia mitantara manontolo ny lalao ihany koa ny radiom-pirenena na ny RNM. Taorian’ny ady sahala 2-2 tamin’ny Syli National avy any Ginea ny sabotsy teo, dia andrasan’ny maro ny lalao manaraka hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara amin’i Burundi izay (resin’i Nizeria 1-0) ny alakamisy 27 jona izao ary aorian’izay dia hifandona amin’ny Voromaherin’i Nizeria ny 30 jona. Ao an-damosin’ny ekipam-pirenena ny Malagasy manontolo, izay mirary vokatra tsara ho azy ireo hahafaha-miakatra amin’ny dingana manaraka. Hita taratra hatrany amin’ny fomba fitantanana eto amintsika ilay fanapahan-kevitra mandroso mihevitra noho ny tsy fisian’ny jery lavitra.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT