FANAVOTANA NY BAOLINA KITRA

Inona no tsy hanomezana sehatra bebe kokoa ireo teknisiana malagasy ?


  • Alarobia 04 Desambra 2024

Marary ny kitra malagasy, resin’ny Kaomoro tamin’ny lalao farany ary nihintsana tsy afaka handray

anjara amin’ny CAN 2025. Raha ny laharana dia nihemotra ka lasa faha-115 maneran-tany i Madagasikara Taorian’ny fametram-pialan’ny mpanazatra nasionaly Rôrô na Rakotondrabe Romuald , dia nandefa tolotr’asa hitadiavana izay hasolo azy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).Raha ny angom-baovao dia maromaro ireo teratany vahiny maniry haka izany andraikitra izany. Isan’izany ilay teratany Kaomoriana Amir Abdou, 52 taona, mpanazatra ny ekipan’i Maoritania izay tsy tafiakatra any amin’ny CAN 2025 ihany koa.Fantatra fa ireo mpanazatra vahiny dia mikarama hatramin’ny 20 000 euros, izany hoe efa ho 100 tapitrisa ariary isam-bolana, ankoatr’izay ny staff izay tsy maintsy karamaina lafo ihany koa. Inona moa no tsy handraisana ireo teknisiana sy mpanazatra eto an-toerana dia milofo amin’ny fanofanana ny hoavy amin’ny fanampiana ireo akademia ka hametrahana tanjona ny hamoaka mpilalao matihanina ?
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT