Sport

Fanatanjahatena Tandindonin-doza ny MJS


  • Talata 28 Febroary 2023

Manahy ny ady tsy ho raikitra ny maro fa toa tsy mihevitra hanolo ireo tale teo aloha ny minisitra vaovaon'ny Tanora sy ny Fanatanjahatena (MJS), André Haja Resampa.

Ny hita sy tsapa mantsy dia Ikotozafy ihany no Lexis nefa dia niara-nahita ny hadisoana nataon'ireo olona ireo raha tsy hiteny afatsy ny tsy nahalasa ny ankizy tany amin'ny CJSOI kanefa dia efa nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra izany. Eo ihany koa ny sazy mihatra amin'iny kanetibe satria tsy nojanona tamin'ilay 10 000 euros tsy voaloa tany Santa Suzanna na dia tany an-toerana aza ny minisitra Hawel Mamod'Ali sy ramatoa Rosa Rakotozafy. Tsy azon'ny saina eritreretina anefa izany hoe eto Madagasikara ny Lalaon'ny Nosy no hatao fa tsy misy tsipy kanetibe izay tena angadin'ny Malagasy ary azo antoka ny handrombahana ny medaly volamena sivy. Hatreto aloha dia sadasada manan-tsoratra ihany ny fanomanana ny Lalaon'ny Nosy. Tsy mba misy mijery moa ny handball ary tsy hita popoka ny ady totohondry Miady an-trano ny karaté ary kamboty velon-dray ny kickboxing nefa anie dia ny Jeneraly Lilyson no lany ho filohan'ny federasiona izay olon'ny fitondrana kanefa dia milaza fa tsy manam-bola ka asainy miaton-tena ireo ligy raha hamonjy fampivondronana. Asa aloha izay halehany fa raha izao aloha dia mampanahy be ihany. Efa vita ve ilay dobo olaimpika any Mahajanga ary efa mba misy olona hofanina ve izany voile, surf ary tir à l'arc izany. Ny azo antoka aloha dia ny fimenomenoman'ireo atleta tsy lasa any amin'iny fampivondronan'ny Sinoa satria nisy hoy izy ireo ny safidy diso sy ankitranoantrano. Loza !
Legende : Atoa André Haja Resampa, minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT