FANATANJAHANTENA

Tsy vitan'ny fihetsiketsehana fa asio politika mazava


  • Talata 30 Jolay 2024

Efa lasa fomba fanao moa ilay hoe mitso-drano dia manome vatsin-dalana kely sy fanampiana

ho an'ireo atleta handeha.Mandeha ihany koa ny karazana kabary fanaherezana sy ny fakana sary.Mifaninana mihitsy ireo manampahefana. Tsy iadian-kevitra fa anisan'ny manana atleta mahay sy mahiratra i Madagasikara hatrizay mihitsy. Indrisy anefa fa amin'izao taona 2024 izao dia 7 monja no misolotena ny firenena Malagasy any amin'ny lalao Olaimpika, izay faratampony amin'ny fifaninanana ara-panatanjahantena eto ambonin'ny tany.Tsara ilay manampy sy mitsidika, fa mba aiza ho aiza moa amin'izao ny politikam-pirenena momba ny fanatanjahantena ? Ankoatra ny fanampiana iraisam-pirenena mety ho azo, inona no hanohanan'ny fitondram-panjakana ireo federasiona isanisany ? Ireny izao namiratra ny Barea ny taona 2019. Taorian'io anefa tonga dia tsy tafakatra CAN. Ny kianja lazaina fa manarapenitra, hay tsy mahafeno fepetra akory. Maro ny atleta mitaraina amin'ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa misy eto.Tsy ampy ny fahazotoana sy fikirizana ary dokam-barotra amin'ny fanampiana sy fanohanana fa mila politika mazava isan-taranja ny fanatanjahantena, mila vola sy fotodrafitrasa araka ny tokony ho izy. Mila fianarana sy fanofanana mandava-taona fa tsy hoe 3 volana mialohan'ny fifaninanana vao mamovokovoka.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT