FANATANJAHANTENA

Tsara kokoa raha tohanana hatrany am-boalohany ireo atleta


  • Alakamisy 28 Aogositra 2025

Efa nampoizina ihany ilay hoe hanofa fiaramanidina hitondrana ireo mpanohana.

Eny tsy maintsy hisy ireo handeha satria mahatakatra tsara ilay 3 tapitrisa ariary antsasa-bidin’ny saran-dalana. Mety mbola hitondra vola ambonin’io aza ho an’ny revirevy any an-toerana sy hivatsiana voandalana. Fa ny ankamaroan’ny malagasy kosa dia sarotra izany hamoaka 3 tapitrisa ariary amin’izao fampidirana mpianatra izao, na dia tiana sy tena tohanana aza ny ekipam-pirenena.
MILA MANGARAHARAHA
Ary fiaramanidina inona moa izany no hofaina satria ny kaompaniam-pitaterana malagasy dia tsy manana fiaramanidina tena azy manokana amin’izao fotoana. Marina fa hoe fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana ho fanohanana ny ekipam-pirenena io fa mila atao mazava sy mangarahara kosa ny fandaniana satria misy volam-panjakana, misy volam-bahoaka izany tsy maintsy hivoaka. Na inona na inona atao , tsara mandrakariva ny fomba fiasa mangarahara ary atao fantatry ny besinimaro ilay izy fa tsy hoe ho an’ireo handeha ihany.
SAKAIZA’NY MPANDRESY
Etsy ankilan’izay mipetaka ihany ny fanontaniana : fa tsy mba azo natao angaha ny hoe tany am-boalohany dia efa nisy fandaminana nahafahan’ny malagasy nandeha nanatrika ny lalaon’ny Barea ka nanampy ho amin’izany ny fitondram-panjakana ? Izao mantsy dia tonga amin’ilay ftenanana hoe manao fihetsiky ny zakaizan’ny mpandresy. Tsara ho fantatra fa niady sy niasa mafy efa hatry ny ela ny ekipa sy ny mpanazatra ary ny staff tekinika vao tonga amin’izao vokatra hiatrika lalao famaranan’ny CHAN (Championnat d’Afrique des Nations) izao. Ny eto Madagasikara ve izany rehefa toko amina dingana tsaratsara vao tohanana ireo atleta sy mpanao fanatanjahantena ? Nahoana no tsy apetraka ny fomba fiasa mazava isaky ny federasionina hanohana manontolo sy tateraka ny mpanao fanatanjahantena miatrika fifaninanana iraisam-pirenena ? Matoa ny atleta any amin’ny firenen-kafa lasa lavitra sy mahavita fahagagana dia tsara tohana hatrany am-boalohany izy na ara-tsaina na ara-pitaovana na ara-bola fa tsy hoe isaky ny handeha hiatrika lalao any ivelany vao atao SOS ny saran-dalana sy fanamboarana visa ary ny trano ivantanana. Dia lasa politika no misongadina ao amin’ilay fanatanjahantena hoe misaotra ny filoha , misaotra ny minisitra, misatra ny depiote.Tsy tokony ho izay anefa fa tokony efa misy rafitra sy fomba fiasa mipetraka mialoha dia iny fotsiny no arahana fa tsy mila serasera sy fihetsiketsehana be hoe fanampiana atsy, fanampiana aroa.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT