Sport

Fanatanjahantena sy ny baolina kitra Mila tohanana mafy mba tsy hitsotsorika indray


  • Alarobia 17 Jolay 2019

Efa niomana ary manana tolo-dalàna hanatsarana ny tontolon’ny fanatanjahan-tena izay efa vita boky hatolotra hodinihina sy holaniana ao amin’ny Antenimieram-pirenena ny depiote Randriamanampisoa Alfred, izay filohan’ny Klioban’ny Baolina kitra Elgeco Plus.

 

 

 Tsapa fa miakatra ny lanjan` ny lenta eto Madagasikara ka hapetraka amin’ny maha izy azy sao midina eo indray, hoy izy tamin’ny resaka nifanaovana taminy tetsy Tsimbazaza omaly. Handeha ny fifidianana Filohan’ny Federasionina Malagasy na ny FMF, ka amin’ny maha Filohana Klioba azy no nilazany fa misy fepetra ao anatin’ny lalàna mifehy ny federasiona na olona efa nikirakira na nandalo ny tontolon` ny kitra. Inoana fa nahafeno fepetra ireo olona hirotsaka ho filoha, ary olona hiezaka hampiakatra avo hatrany ny lentan’ny baolina kitra Malagasy. Maro ny andrasana aminy satria tsy maharaka intsony ireo fotodrafitrasa, eo ihany koa ny fametrahana ligy maro samihafa izay manana maha izy azy. Tsy adinoina koa ny “section” sy ny klioba tsy tokony hatao an-kilabao intsony. Tsy tokony ny klioba intsony no hivesatra samirery fiahiahina rehefa hivoaka ny tanindrazana satria voninahi-pirenena no harovana, ary ekipa-pirenena ireny.

 

Marigny A. sy Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT