Sport

Fanatanjahantena Qi Gong Voasakana noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Nisy ny fampahafantarana ho an’ny rehetra ny amin’ny Qi Gong eto Madagasikara tetsy amin’ny ivontoeran’ny kolontsaina malagasy etsy Antsahavola omaly alarobia 31 jolay.

 

 

 Araka ny fanazavan’ny mpampianatra azy, Julia Rakotomalala, dia sady kolontsaina no fanatanjahantena izy ity. Fahasalamana no zava-dehibe azo avy amin’ity taranja aziatika ity ary amin’ny alalan’ny fampaherezan-tsaina mipaka any amin’ny vatana no hahombiazana aminy. Io, hoy hatrany ny fanazavana, no maha ela velona ny sinoa sy mampavitrika azy hiasa satria ny aretin’ny saina na « psycho somatique » no miteraka ny aretina rehetra ary ny olona manao Qi Gong dia tsy ho azon’izany. Na dia tokony hanana anjara biriky betsaka amin’ny fampandrosoam-pirenena aza anefa ity taranja ity dia voasakana ihany noho ny tsy fahampian’ny enti-manana amin’ny fanentanana, hoy hatrany ny tomponandraikitra, ary tsy mihoatra ny 30 isa hatreto ireo mpikambana ao anatin’ny fikambanana manao azy eto Madagasikara.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT