Sport

Fanatanjahantena nentim-paharazana Voazanaka, hoy ny GAKAMA


  • Sabotsy 19 Janoary 2019

Hifampijery isika manomboka izao, hoy ny filohan’ny fikambanana GAsy KA MAhery (GAKAMA), Maitre Michel le Dragon, satria sambany tao anatin’ny 120 taona no hanomboka ho sahy hiteny amin’ny maha gasy azy ny gasy.

 

 

 

 Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy Mahamasina ny toerana voatokana natao hifanenan’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena eo anivon’ity fikambanana ity. Notolorana sertifika manokana ho marik’izany ireo andrarezina teo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy fanatanjahantena toy ilay andrarezin’ny gitara Prosh’Ely. Nasian’ny filohan’ny fikambanana tsindrim-peo manokana ny mikasika ny fanatanjahantena nentim-paharazana. Lesoka tamin’io, hoy ny tenany ilay fanjanahana azy. Ny Diamanga na ny dakan’ny manga, izany hoe dakan’ny hova, izay nolovaina tamin’ny adin’akoho, ohatra, dia lasa takona rehefa voazanaky ny taekwondo. Ny Ringy nosoloina ny Judo. Ny Morengy nosoloina Boxe anglaise. Mila ampiharina ny lalàna 2005 – 006 ny 22 aogositra 2005 izay manery ny fanjakana hanampy ara-bola ny mpanao fanatanjahantena, hoy ny tenany. Ny faniriany dia mba ho mpanao fanatanjahantena no lasa minisitry ny fanatanjahantena ary olon’ny kolontsaina no minisitry ny kolontsaina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT