Fanatanjahantena Malagasy

Taranja maromaro nibatana fandresena miezinezina…


  • Talata 10 Desambra 2024

Voahosotra ho tompondaka lefitra eran-tany ny ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny taranja tsipy kanetibe,

fifaninana notanterahana tany Dijon France. Nisongdina hatrany niainga tany am-boalohany ka hatramin’ny farany isika ka isan’ny nisongadina ny nanamontsanan’ny Malagasy ny Frantsay tamin’ny isa mavesatra 13-3 tamin’ny manasa-dàlana. Nanao ny tsy nambinina isika tany amin’ny faranana ka 11-13 ry Jean-François Rakotondrainibe, Faratiana Rakotoniaina, Faly Andrianantenaina ary Christian Andriantseheno nanoloana ny ekipa Italianina notarihin’i Diégo Rizzi. Ny lalao iraisana izay fa fandresena miezinezina ho antsika kosa ny nibatan’i Jean-François Rakotondrainibe na Ziggle ny maha tompondaka eran-tany teo « tir de précision ». Nanjaka tanteraka ity mpilalao Malagasy vao erotrerony ity raha tsy hilaza afatsy ny dingana ampahefa-dàlana izay nanamontsanany 47-24 an’ilay Argentin Guevara Nestor Omar, 30-18 no nandreseny an’ilay Espaniola Jesus Antonio tamin’ny manasa-dàlana, ary ny solontenan’i Hongrie Nagy Laszio kosa no montsany 46-32 tamin’ny famaranana. Midika izany, fa tsara ny vokatra azon’ny Malagasy, ary isan’ny taranja tena voafehintsika ity taranja ity. Betsaka ny fanohanana mila atao fa tsy rehefa mandresy ny ekipam-pirenena vao mandeha ny seraseram-panjakana samihafa. Asa na mitombina tokoa ny hoe : mba nangataka hihaona tamin’ny manam-pahefana ambony ireto solontenantsika ireto nialohan’ny niaingana fa tsy noraharahiana na tsia ? Ny zava-dehibe aloha dia nitondra vokatra lehibe ry zalahy ka ankasitrahana sy isaorana, ary irariana hitohy hatrany ny fahombiazana !
MAROMARO IREO FAHOMBIAZANA
Ny tsipy kanetibe no vao iny nisongadina iny isika, fa taranja maromaro no nisongadinan’i Madagasikara tato ho ato ary tena nisy ny fandresena miezinezina. Nahazo tompondaka eran-tany roa tamin’ny jiu jitsu Amateur isika, tompondaka tamin’ny MusculeMania tany Etazonia teo amin’ny taranja bodybuilding i Fitiavana Mickael. Nanao poa-droa nandrombaka ny tompondakan’i Afrika teo amin’ny basket « 3x3 », ka tafita hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Mamiratra ny Barea U17 vehivavy any amin’ny COSAFA U17 izay tafita amin’ny manasa-dàlana rehefa avy nandavo an’i Malawi, Namibie, Afrika Atsimo,...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT