Sport

Fanatanjahantena Malagasy Ny rafi-pitantantanana no miteraka savorovoro


  • Alarobia 07 Febroary 2018

Tena mampisavorovoro sy mampikorontan-tsaina ny maro, na mpitantana, na mpilalao, na mpitia fanatanjahantena tsotra fotsiny izao, ny fikorontanan-dava miseho lany eo anivon’ireo rafim-pitantanana fanatanjahantena eto amintsika ka tsy mety ahitam-bahaolana mandraka ankehitriny.

Ao aloha ny tarazon-disadisa nisy teo amin’ny taranja baolina kitra nanomboka tany amin’ny andron’ny filohan’ny FMF teo aloha, Ahamad izay lasa filohan’ny Caf taty aoriana. Eo koa ny fikorontanan-dava mahazo ny taranja ady totohondry Malagasy sy ny tsy fifankazahoana misy eo amin’ny mpitantana ny Malagasy Rugby sy ny Analamanga Rugby ary koa ny disadisa miseho lany eo amin’ny mpitantana ny COM Malagasy sy ny federasion’ny atletisma Malagasy am-perinasa. Nilaza ny heviny amin’ny zava-misy ny sokajin’olona tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana :

 

Mac Siou King Alixia filohan’ny ligin’ny ady totohondry any V/7/V

“Tena manimba sain’ny mpitantana sy mpilalao mihitsy ny fahenoana korontan-dava eo amin’ny fitantanana ny ady totohondry Malagasy. Tsorina fa tena manimba herin-tsaina sy herim-po ny zava-misy ary lasa mandany fotoana fotsiny tsy havitana na inona na inona mihitsy fa lasa mandany fotoana fotsiny ny fitantanana an’ity ligy tantanako ity noho izany”.

 

Atoa Mac Siou King Alixia

 

Randriamoeliarivony Alfred ex-Pdt Commission marketing FMF

“Tsy resaka olona no fototry ny disadisa eto amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena Malagasy fa resaka rafitra. Manjary lasa “candidat unique” ny ankamaroan’ny resaka fifidianana rafitra ara-panatanjahantena eto amintsika ary manjaka ny fividianana olona handatsa-bato. Manjaka ny resa-bola (magouille sy corruption). Tokony mba hamoaka tetikasa matotra tsara amin’izay ireo rehetra mirotsaka ho kandidà”.

 

Atoa Randriamoeliarivony Alfred  

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT