Sport

Fanatanjahantena Malagasy Nisongadina ny fahatafitan’ny Barea hiatrika ny CAN 2019


  • Alarobia 02 Janoary 2019

Miditra amin’ny andro faha-2 sahady ny taona vaovao 2019 anio alarobia 02 janoary ka hanararaotan’ny mpikirakira ny vaovaom-panatanjahantena hiarahabana ny mpitia fanatanjahantena Malagasy tsy an-kavavaka sy ny Malagasy tsy vakivolo nahatratra an’ity taona 2019 ity.

 

 

 

 Mba ho taom-pahombiazana ho an’ny Malagasy rehetra anie ity taona ity ary ho taona zina eo  amin’ny sehatry ny fanatanjahatena Malagasy manokana. Raha atao jery todika kely ny zava-nisy teo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena  Malagasy tamin’iny taon-dasa 2018 iny dia azo ambara fa somary takon’ny resaka politika kely tamin’ny ankapobeny ity sehatra ity noho ny fiatrehana fifidianana filoham-pirenena teto amintsika. Na izany aza dia anisan’izay nisongadina indrindra kosa ny fahatafitan’ny Barea hiatrika ny CAN 2019   izay sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra Malagasy hatramin’ny taona 1962 niorenany ka tena handrandrain’ny Malagasy tsy an-kanavaka tokoa amin’ity taona 2019 ity ny fiatrehana izany fa efa voakilasin’ny any ivelany ho ekipa favori aty Afrika ankehitriny ity Barea tarihan’ilay mpanazatra Nicolas Dupuis.

Nisongadina nanaraka izay koa tamin’ny fiafaran’iny taona 2018 iny ny nanoloran’ny fitondram-panjakana notarihan’ny filoham-pisolo toerana, Rivo Rakotovao, mari-pankasitrahana  an’ireo mpanao fanatanjahantena Malagasy mendrika tamin’ny taona 2018. Niisa 213 avy amin’ny taranja samihafa izy ireo (Handball, football, basketball, rugby,  athletisme, pétanque, tennis, tennis de table, hatérophilie ary natation) niampy coaches 40 sy mpanazatra 13 izay notolorana lelavola tandrify azy avy  ary mbola nahazo fisaorana manokana avy (1.000.000 ar sy 200.000 ar) amin’ity filoha mpisolo toerana ity noho izy ireo nanana herin-tsaina sy fikirizana niatrika ireo fifaninana samihafa natrehan’izy ireo ka nitondra avo ny anaran’i Madagasikara.

Ary farany teo koa ny fanolorana ny diplaoma « femme et sport »  avy amin’ny CIO « Comité   International Olympique »  an’ilay kintan’ny atletisma Malagasy, Rosa Rakotozafy izay misalotra ny andraikitra Dsf « Directeur du Sport Fédéral » ao amin’ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy ankehitriny sady filoha am-perinasan’ny Amao « Association Malagasy des Athlètes Olympiens » ihany koa, noho ny ezaka lehibe vitany teo amin’ny fampiroboroboana ny spaoro Malagasy amin’ny ankapobeny sy ny ezaka manokana nataony teo amin’ny famporisihana ny andriambavilanitra sy ny tanora vehivavy Malagasy ifototra amin’ny spaoro. Marihana fa i Rosa Rakotozafy dia efa tompondakan’ i Afrika teo amin’ny 100m misy fefy tamin’ny fotoanandrony ary efa nitondra ihany koa ny faneva Malagasy tany amin’ny lalao Olimpika 2004 natao tany Athènes any Grèce.   

 

Ntsoavina Evariste

                                                                                                                                                                                                            

 

,

 

                                                                                                                                                                                                                                                                                                   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT