Sport

Fanatanjahantena Malagasy Naato ny lalao iraisam-pirenena rehetra


  • Alarobia 11 Martsa 2020

Miato avokoa aloha mandra-pisian’ny toromarika vaovao hafa ny hetsika ara-panatanjahantena iraisam-pirenena eto Madagasikara na ny

 

 

 

fandraisan’anjaran’ny atleta Malagasy amina fifaninanana any ivelan’i Madagasikara. Izay no fanapahan-kevitra nivoaka omaly araka ny ny « note circulaire n° 079 /MJS/SG/2020 navoakan’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, Ralaivao Lovaitiako,  araka ny toromarika avy amin’ny Filoham-pirenena nandritra ny  filankevitry ny minisitra tamin’ny 04 martsa 2020 lasa teo sy rehefa naheno ny tatitra ara-medikalin’ny Sekretera Jeneralin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka avy amin’ny fivorian’ny “Plate-forme des Secrétaire Généraux” tamin’ny datin’ny 05 martsa 2020 mikasika ny loza mety hihatra amin’i Madagasikara amin’ny fihanaka haingan’ny tsimokaretina “Covid 19”  na Coronavirus . Hoy indrindra ity naoty ity : «  hiangaviana ireo filohana federasiona fanatanjahantena rehetra mba  hampilaza an’ireo rafitra rezionaly sy iraisam-pirenena mifandray tendro amin’izy ireo fa miaato avokoa manomboka izao ka mandra-pisian’ny toromarika vaovao ny hetsika ara-panatanjahantena iraisam-pirenena saika ho tanterahina eto Madagasikara sy ny mety ho fivoahan’ny atleta Malagasy handrato fihaonana any ivelan’i Madagasikara.  Azo atao kosa anefa ny mifampiraharaha matotra amin’ny rafitra iraisam-pirenena voafantina  amin’ny tranga manokana mety hilana an’izany » .Mahalasa saina ny maro avy hatrany taorian’ny fivoahan’ity naoty ity ny hoe : ahoana moa izany ny momba ny lalao baolina kitra hihaonan’i Madagasikara sy Cote d’Ivoire amin’ny 27 martsa ho avy izao, satria sokajiana ho lalao iraisam-pirenena io ary misy vahiny dia ry zareo Ivoarianina ho avy eto Madagasikara.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT