Sport

Fanatanjahantena iraisam-pirenena Voafidy ho filohan’ny CIGEPS i Rosa Rakotozafy


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Lany ho filohan’ny CIGEPS na ny komity iombonana momba ny fanabeazana ara-batana sy fanatanjahantena eo anivon’ny Unesco na CIGEPS I Rosa Rakotozafy.

 

Vita ny 28 septambra teo moa ny fifidianana nandritry ny fivoriana ara-potoan’ity rafitra iraisam-pirenena ity ny 28 sy 29 septambra teo. Fantatra ny faran’ny herinandro teo kosa araka izany fa ity atleta Malagasy nanana ny lazany fahiny ity no vehivavy voalohany hitantana ny CIGEPS. Tsy solontenan’i Madagasikara ihany fa Afrika iray manontolo mihitsy araka izany no ho tarafina aminy ao anatin’izao andraikitra goavana izao. Miisa 5 moa ny lefiny, izay avy amina firenena miisa 5 manerana izao tontolo izao dia i Finlande, Cuba, Tonizia, Bolgaria, Japon. Miisa 18 ireo firenena mikambana ao amin’ny CIGEPS izay rafitra niforona ny taona 1978.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT