Sport

Fanatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana 15.000 olona no handrasan’ny ASIEF any Antsiranana


  • Alatsinainy 08 Aprily 2019

Fikambanana iray miezaka ny manampy ireo mpiasam-panjakana hiroso amin’ny fanaovana fanatanjahantena ny ASIEF « Association sportive Interministérielle pour l'Entretien des Fonctionnaires » tarihin’Atoa Botosera Jean Aimée.

 

 

 

 Miara-miasa amin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena izy ireo amin’ny fanatanterahana izany ka ny tanjona dia ho salama vatana sy ho tomady hatrany ireo mpiasam-panjakana rehetra izay marihina fa mipetra-dava any anaty birao ny totaliben’ny asany. Nosokafana tamin’ny sabotsy 06 aprily teo teto Antananarivo ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana karakarain’ny Asief. Ankoatra ireo taranja ara-panatanjahantena efa natao hatramin’izay  toy ny basikety, volley, baolina kitra, rugby à 7 … dia hisy filalaovana karatra, fanaovana fanorona, Jeux d’Echec, kabary ary fifaninanana VTT hanampy an’ireo amin’ity taona ity. Nisy ny hetsika « Grande Marche » niainga teny amin’ny tranombokim-pirenena nihazo ny kianja mitafon’i Mahamasina izay hita fa tsy antonona an’ireo mpiasam-panjakana tamin’ny sabotsy 06  aprily. Hangatahin’Atoa Botosera Jean Aimée ny tokony hampitomboan’ny fanjakana ny teti-bola omena azy ireo isan-taona.   Eto dia efa nisaorany sahady ny Minjs amin’ny fahavononana hanampy azy ireo. Raha nahatratra 60 tapitrisa ar tamin’ny taona 2018 dia nihena tamin’ity taona 2019 nefa mifanohitra amin’izay ny fitombon’ireo mpandray anjara. Any Antsiranana no hanaovana ny lalao famaranana nasionalin’ny fifaninanana Asief amin’ny volana oktobra 2019. Tsiahivina fa raha 4.000 ireo mpilalao noheverina fa handray anjara tamin’ny lalao famaranana natao tany Toamasina teo dia tafakatra 12.000 isa ireo mpiasam-panjakana nandray anjara tamin’izany ary vinavinaina ho 15.000 any amin’ity taona 2019 ity.

Pati/Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT