Sport

Fanatanjahantena BEPC Nanomboka ny sabotsy ny fanadinana


  • Talata 11 Jona 2019

Nanomboka ny sabotsy teo ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny fanadinam-panjakana BEPC manerana ireo fari-piadidiam-pampianarana miisa telo dia Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano ary Avaradrano.

 

 

Tetsy amin’ny ANS Ampefiloha no nanatanterahana izany ka ny taranja lomano no nisantarana azy. Mpiadina miisa 299 no tonga nandray anjara. Nambaran’ireo tompon’andraikitra fa maro tamin’ireo mpiadina no diso safidy. Nisy tamin’izy ireo mantsy no tsy nahafehy akory ity taranja ara-panatanjahantena iray ity niampy ny andro mangatsiaka, hany ka tena sahirana vao nahavita. Ora sy minitra anefa no nenjehina. Hanomboka ny 29 jolay hatramin’ny 09 aogositra ho avy izao ny taranja ara-panatanjahantena rehetra amin’ny ankabopeny ho an’ireo mpiadina BEPC manerana ny Nosy mialoha ny hanatanterahana ny adina an-tsoratra.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT