Sport

Fanatanjahantena Azo avadika ho fandraharahana


  • Talata 01 Oktobra 2019

Tanora misehatra amin’ny fanatanjahantena miisa 60 no mandray anjara amin’ny fampiofanana karakarain’ny “La maison de sport” mandritra ny herinandro.

 

 

Fampiofanana mahakasika ny fitantanana tetikasa sy fotodrafitrasa, famoronana orinasa, ny haivarotra sy serasera sy ny maro hafa no hotanterahina nanomboka omaly hatramin’ny zoma ho avy izao. Tanjona ny tsy hijanonan’ireo mpanao fanatanjahantena eny ambony kianja fotsiny fa avadika asa hamelomana tena izany ary ahafahana manome asa ny hafa mihitsy aza. Ho fampivoarana  ny fanatanjahantena Malagasy dia miresaka mivantana amin’ny mpanao fanatanjahantena mihitsy  ny enivon’ny “maison de sport” mandresy lahatra azy ireo handray fampiofanana amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Ity fiofanana voalohany ity tontosaina eto Analamanga, Bongolava ary Itasy. Boeny sy Betsiboka kosa no hanaovana ny fiofanana faharoa ary hiverina eto Antananarivo ny fahatelo noho ny hamaroan’ny mpisoratra anarana. Maro be ireo mpampiofana ka anisan’izany ny mpanao gazety ara-panatanjahantena, ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fiahiana ara-tsosialy (CNAPS). Ny maraina dia hatokana ho amin’ny fampiofanana  fa isaky ny hariva kosa no hanatanterahana ny fidinana eny amin’ireo kianja ary hijerena ny fitantanana sy ny fandraharahana azo atao.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT