Sport

Fanatanjahantena any Frantsa Misy fepetra tsy maintsy hajaina


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Roa andro taorianan’ny nivoahan’ny “plan de déconfinement” navoakan’ny praiministra Frantsay manomboka amin’ny faha-11 ny volany mey 2020 ho avy

 

izao dia nanamarika an’ireo fepetra tokony ho arahina amin’izany tamin’ny alakmisy 30 aprily 2020 lasa teo ny minisitry ny fanatanjahantena Frantsay. Nambarany fa : “raha noferana ho adin’ny iray ihany ary eo amin’ny manodidina ny 1 km miala amin’ny trano fonenany hatramin’izay nisian’ny fihibohana izay ny fahazoan’ny olona tsirairay manao fanazaran-tena samirery dia novahana ho malalaka kokoa izay fepetra izany manomboka amin’io 11 mey 2020 io. Araka ny toromariky ny “Haut Conseil de la Santé Publique » any an-toerana anefa, hoy izy, dia voafetran’ireo fepetra 5 manaraka ireto ny azon’ireo mpisehatra manatanteraka hetsika mampiasa vatana miaraka rehetra : 1° tsy voafetra intsony ny fe-potoana hanaovan’izy ireo fanazaran-tena. Faha-2 : tsy ilana fahazoan-dalana “Attestation” izany. Faha-3 : Tanana ho latsaky ny 100 km miala ny trano fonenana kosa no hanaovana izany. Faha-5 : olona 10 ihany raha be indrindra no mahazo miaraka manao fanazaran-tena ary faha-5 farany : tsy fahazoana mandeha ivelan’ny faritra. Tsy mahazo miditra ao anaty fisoloana akanjo “vestiaire” ireo manatanteraka hetsika an-kalamanjana rehetra. Ny lalao tenisy dia mahazo alalana malalaka ny fanaovana azy fa ny « sport de combat » sy fanatanjahantena iombonana kosa mbola voarara. Noferana ho 10 metatra kosa ny elanelan’ireo manao « jogging » sy hazakazaka am-bisikileta rehetra. Mitaky elanelana izay tratra kosa ny fanaovana hetsika an-kalamanjana toy ny tenisy sy yoga sy fitness ohatra… Mbola hamoaka ny lisitr’ireo taranja sy spaoro tsy azo atao any Frantsa tsy ho ela ity minisitera ity.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT