Sport

Fanatanjahantena an-tsekoly - Mahajanga 2017 Niverina nilalao ireo ankizy voan’ny ambalavelona


  • Alakamisy 24 Aogositra 2017

Nalaza fa nihetsika ambalavelona teo am-panaovana lalao hand-ball tany amin’ny kianjan’ny Lycée Philibert Tsiranana any Mahajanga ny ankizy mpianatra 8 vavy avy ao amin’ny ekipan’ny Ceg Faratsiho Vakinankaratra ny talata 22 aogositra lasa teo.

Samy nanana ny filazany mikasika ny toe-javatra nitranga ny rehetra, hoy i Njaka Tsirofo mpandrindra nasionalin’ny hetsika. Ny  azo ambara dia afaka niverina nilalao ny ampitson’io ireo ankizivavy ireo rehefa niasan’ny mpiandry tao amin’ny fiangonana Flm Mahajanga ny androtr’io ihany, hoy izy.

Vokatr’ireo lalao fifanintsanana teo amin’ny taranja hand-ball notontosaina tao amin’ny Complexe Ampisikina, Lycée Philibert Tsiranana ary tao amin’ny Don Bosco Antanimasaja.

 

Sokajy Cadette zatovovavy :
CEG Faratsiho Vakinankaratra 09 - 12 CEG Ambohipo Analamanga
CEG Ambohitsilaozana Alaotra Mangoro 05 - 06 Lycée Mixte DIANA
Lycée Mixte Sambava SAVA 02 - 14 CEG Betanatanana Melaky

Lycée Sileny Paul V7V 09 - 21 CEG Tsimilao Sofia
CEG Ivoamba Matsiatra Ambony 20 - 09 Lycée Fandriana Amoron’i Mania
Lycée Vavatenina Analanjirofo 07 - 10 Lycée Maevatanana Betsiboka
CEG Ihosy Ihorombe 20 - 09 Lycée Tsiroanomandidy Bongolava
CEG Centre Atsimo Andrefana 09 - 06 Lycée A/na Boeny

 

Sokajy Cadet zatovolahy
LP la Colombe Atsinanana 27 - 26 Lycée Privé Luthérienne Anosy
Lycée Ankadinondry Bongolava 16 - 25 Lycée Anivorano Nord DIANA
CEG Maintirano Melaky 13 - 22 Lycée Mixte M. Atsimo Andrefana

Lycée Maevatanana Betsiboka 17 - 19 CEG Ambohipo Analamanga
CEG Ambalavao Matsiatra Ambony 14 - 19 CEG Ambalavy Sofia
LPNYA Ihosy Ihorombe 30 - 18 CEG Razaka Alaotra Mangoro
Lycée St Vincent de Paul 19 - 24 Lycée Vohipeno V7V
Lycée Faratsiho Vakinankaratra 16 - 21 FJKM M/tra Boeny

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT