Sport

Fanatanjahantena an-tsekoly 2019 2800 ny mpandray anjara any Toamasina


  • Alarobia 16 Oktobra 2019

Tontosaina any Toamasina nanomboka tamin’ny alatsinainy 14 oktobra 2019 lasa teo ka tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 20 oktobra 2019 ny fifaninanam-pirenena fanatanjahantena an-tsekoly 2019 izay

 

 

karakarain’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana araka asa. Ankizy mpianatra mahatratra 2800 amin’ny sokajy Benjamines, minimes, cadet sy cadette, mitsinjara amin’ny taranja 5 samihafa (volleyball, basketball, football ary atletisma) no mandray anjara amin’ny hetsika ka toerana 4 no handraisana azy ireo ary toerana 7 kosa no hanatanterahana ny fifaninanana. Ny lanonam-panokafana no notanterahina tamin’ny alatsinainy 14 oktobra teo ary any amin’ny sabotsy 19 oktobra kosa no hanatanterahana an’ireo lalao famaranana rehetra ary natokana ho fanolorana amboara sy mari-pankasitrahana kosa ny alahady 20 oktobra . Ny orinasa HITA « Huilerie Industrielle de Tamatave » no mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny fifaninanana ka manolotra rano hosotroin’ireo mpifaninana ary hanolotra ihany koa  loka ho an’izay mahazo laharana 1 sy faha-2 amin’ny fifaninanana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT