Sport

Fanatanjahantena an-tsekoly 2017 Nahery indray ny avy any Atsimo Andrefana


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2017

Nifarana omaly alahady 27 aogositra ny “Championnats Nationaux du Sport Scolaire” andiany voalohany

notontosaina tany Mahajanga nandritra ny 10 andro 18-27 aogositra 2017. Ny famaranana ny lalao volley-ball no notontosaina nialoha ny lanonam-pamaranana notontosaina tao amin’ny kianja Rabemananjara. Nisongadina ny ankizy mpianatry ny Faritra Atsimo Andrefana tamin’ny fahazoana medaly be indrindra, anisan’izany ny medaly volamena 7 azony, nanaraka azy ny Faritra Alaotra Mangoro. Niavaka ny fahatrarana ireo mpangala-taona niisa 18 tamin’ireo 32 notiliana tamin’ny fomba manara-penitra. Anisan’ny taranja vaovao tamin’ity andiany voalohany « Championnats nationaux » ity ny « Urban Cross » izay fifanintsanana hazakazaka 3,5 km ho an’ny zazavavy ary 5,5 km kosa ho an’ny zazalahy izay nibatan-dRasoanirina Françoise (Matsiatra Ambony) 13’23’’43 sy Heriniaina Dolph (Alaotra Mangoro) 17’41’’35 an’ireo medaly volamena tamin’izany.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT