Sport

Fanatanjahantena an-tsekoly 2017 Atleta 1209 no tonga any Mahanjanga


  • Talata 22 Aogositra 2017

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny zoma 18 aogositra 2017 teo tao amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga ny hetsika fanatanjahantena an-tsekoly .

Nisy ny hetsika samihafa notanterahina tamin’izany izay narahina filaharan’ireo mpifaninana miisa 1209 avy amin’ny Faritra 22 eto Madagasikara. Ny sabotsy 19 aogositra teo no nanaovana ny antsapaka sy ny dinika teknika eo amin’ny taranja tsirairay. Ao amin’ny kianja Rabemanjara  sy ny kianja Don Bosco Antanamasajy no hanatanterahina ny taranja atletisma hoan’ny sokajy 17 taona. Mbola ao amin’io kianjan-dRabemananjara io ihany koa no hanatanterahina ny lalao baolina kitra natokana ho an’ny sokajy latsaky ny 13 taona. Ny lalao basikety natokana hoan’ireo mpianatra latsaky ny 15 taona kosa dia ho tanterahina ao amion’ny Lycée Philibert Tsiranana sy ao amin’ny kianja mitafon’i Mahajanga. Ao amin’ny kianja Don Bosco sy ao amin’ny Lycée Philibert tsiranana no hanatanterahina ny lalao volley ball natokana hoan’ny latsaky ny 17 taona. Mbola ao amin’io Lycée io ihany koa no hanatanterahina ny lalao handball sokajy latsaky ny 17 taona.  Marihana fa hisy mpianatra mpilalao 12 lahy sy vavy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tanin’ny Sport Scolaire 2018 ho tontosaina any Paris.

 

Vokatry ny lalao baskety baolina tamin’ny alahady 20 aogositra teo :

 

Amoron’Imania  29 - 33 Vakinankaratra
Matsiatra Ambony  22 – 28  Anosy
Sofia  49 – 25  Ihorombe
Bognolava  55 -25  Itasy
Androy  25 - 5  Alaotra Mangoro
Analamanga  31 -22  Menabe
Boeny   33 - 29  Atsinanana
Betsiboka  22 - 17  Analanjirofo
Sava  49 - 40  V7V
Diana  40 -44  Atsimo Atsinanana

 

Ntsoavina Evariste

 

Lalao basikety an-tsekoly tany Mahajanga tamin’ny alahady

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT