Sport

Fanatanjahantena Afrikanina Nihaona tany Paris i Siteny sy Motsepe Filohan’ny CAF


  • Zoma 10 Septambra 2021

Nihaona tany Paris Renivohitra Frantsay ny Filohan'ny UAJ (Union Africaine de Judo) Atoa Siteny Andrianasoloniaiko izay teratany Malagasy sy Atoa Patrice Motsepe,

 Filohan'ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF, izay teratany Afrikanina Tatsimo, omaly alakamisy 09 septambra 2021. Niresaka momba vina na “vision” ho an’ny fanatanjahantena aty Afrika. Nifandray tsara ny tadin-dokanga eo amin’ny roa tonta satria tia fanatanjahan-tena ary samy vao lany ho filoha farantampon’ny rafitra ara-panatanjahantena kaontinantaly aty Afrika dia ny baolina kitra sy ny judo. Fantatra tamin’io fihaonana io, fa ho avy hitsidika an’i Madagasikara tsy ho ela ny Dr Motsepe izay Filohan’ny CAF taorian’I Ahmad Ahmad izay namana akaiky sy hita matetika teo anilan’I Siteny Andrianasoloniaiko taorian’ny fahatongavany avy tany Afrika nahalaniany ho filohan’ny UAJ. Tsara ny mampahatsiahy sy mampahafantatra, fa isan’ireo olobe manana ny toerany sy ny lazany ary toavin’ny Afrikanina Tatsimo fatratra ity Patrice Motsepe ity amin’ny maha mpanefoefo fanta-daza azy, tompon’ny klioba matanjaka Mamelody Sundowms,… Lany ho Filohan’ny CAF ny 12 martsa teo, rehefa tsy afa-nirotsaka I Ahmad Ahmad. Ho avy aty Madagasikara izany ny tenany, ary hanasa ny Filohan’ny UAJ sady Filohan’ny komity olaimpika sady Depiote Malagasy Atoa Siteny Andrianasoloniaiko kosa dia hasainy ho any Afrika Atsimo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT