Fanasana lalao fitsapana amin’ny Barea

Burundi irery hatreto no nanohina ny antso


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Ny federasionin’ny taranja baolina kitra ao Burundi irery tamin’ireo

ekipam-pirenena miisa 5 nasaina hatreto no nanohina ny antso fanasana lalao fitsapana amin’ny Barean’i Madagasikara na ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, raha ny fampitam-baovao voaray farany omaly. Efa nandà ny fanasana, raha tsiahivina, ny ekipam-pirenena kongoley sy ry zareo ao Afrika atsimo. Mbola tsy nanome valinteny kosa i Kameronina sy Zambia. Ho fantatra, fara-faha tarany amin’ny faran’ity herinandro ity kosa ny anaran’ireo ekipam-pirenena miisa 2 nanaiky ny fanasana tamin’ny fomba ofisialy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT