Sport

Fananganana ny Kianja Barea Hanomboka ny tapaky ny volana martsa ny tena asa


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Nanomboka ny 21 janoary teo ny 1 volana sy 3 herinandro, dingan’ny fandravana ireo faritra tokony hohavaozina sy

 

hatsaraina ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra nampisahanin’ny fitondram-panjakana izany sady mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena misahana ny tetikasa fanitarana tanàna, Gérard Andriamanohisoa. Raha ny vinavina dia tokony hifarana ny fisasahan’ny volana martsa ho avy io izay tetiandro izay mialoha ny hirosoana amin’ny tena asa fananganana ny kianja. Tsiahivina hatrany moa fa 18 volana no natao hamitana tanteraka ity kianja vaovao fandraisana lalaom-pirenena sy iraisam-pirenena ho an’ny taranja baolina kitra etsy Mahamasina izay hiova ho kianja Barea ity ny anarany rehefa vita tanteraka. Mbola ao anatin’izay dingana fandravana ny kianja izay ankehitriny isika, hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Ny volana jona kosa no heritreretina fa efa afaka handray lalao ny kianja.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT