Fanandratana avo ny voninahi-pirenena

Nankasitrahan’ny Fitondrana ireo atleta


  • Alatsinainy 22 Desambra 2025

Isan’ny taona nahazoana

vokatra sy zava-bita maro sy nahombiazan’ny mpanao fanatanjahantena sy atleta Malagasy ny taona 2025, ka nisy ny fanolorana ny mari-boninahi-pirenena sy mari-pakansitrahana ho setrin’ny herim-pon’ireo nanandratra avo ny voninahi-pirenena, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny faran’ny herinandro notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika Randrianirina Michael. Anisan’ireo taranja nasongadina nandritra ny lanonana ny « sport automobile » izay nahitana an-dRazanakoto Iaro Niaina tompondaka tany Thailand nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’ny 2021 ary nanova sehatra ho amin’ny « Grand Tourismo » tamin’ny 2023 ka tamin’ny taona 2025 dia lasa tompondakan’i Azia amin’io taranja io izy, niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny alalan’ny fahazoan-dalana ara-panatanjahantena malagasy. Ny jiu-jitsu brezilianina izay vao niorina teto Madagasikara telo taona lasa izay dia efa nahitam-bokatra manan-danja ka nandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany tany Abu Dhabi dia nahazo vokatra mendrika ny delegasiona malagasy ary tamin’ny taona 2025 dia nahazo medaly volamena iray sy medaly alimo iray. Ny basketball 3x3 kosa dia nisongadina ny ekipam-pirenena ANKOAY lahy sy vavy voahosotra ho tompondakan’i Afrika ary ny tanjona apetraka dia ny fidirana amin’ny lalao Olaimpika sy ny tompondaka eran-tany ao anatin’ny roa taona amin’ny alalan’ny fanangonana ny isa ilaina. Araka izany dia toy izao ny fizarana ny mariboninahitra sy mari-pankasitrahana nomena ireo atleta: 7 nahazo Officier de l’Ordre National Malagasy, 5 nahazo Chevalier de l’Ordre National, 4 nahazo officier de l’Ordre du Mérite de Madagascar ; 7 Chevalier de l’Ordre du Mérite de Madagascar. Naneho ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael fa ny tanora malagasy no antoky ny hoavin’ny firenena ka mendrika tohana manokana, ary nambarany ny fahavononany hanampy sy hanohana ny ezaka amin’ny fandraisana andraikitra mifanaraka amin’izay eo am-pelatanana. Notsindriany ihany koa ny maha zava-dehibe ny fametrahana paikady nasionaly ho an’ny fanatanjahantena indrindra ho an’ny tanora hoenti-manangana taranaka mahavita tena sy afaka misolo tena an’i Madagasikara am-pahamendrehana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT