Fanampiana Rosianina ho an’ny traboina

Manohana ara-piaramanidina


  • Alakamisy 19 Febroary 2026

sy amin’ny lafiny maha olona

Tonga eto Madagasikara ny fanampiana ara-pahasalamana avy amin’i Rosia, araka ny fanambarana nataon’ny Ambasady Rosiana eto amintsika. Ity fanampiana ity dia natao hanohanana ny ezaka famonjena sy ny setriny haingana manoloana ny loza nateraky ny fandalovan’ny rivotra tropikaly Fytia sy Gezani. Voalaza fa tafiditra ao anatin’ny fanampiana ny fiaramanidina MI-8 sy kamio maromaro, izay hanampy amin’ny fitaterana fanampiana ara-pahasalamana mankany amin’ireo faritra voakasika. Ireo fitaovana ireo dia kasaina hampiasaina ihany koa amin’ny asa famonjena sy fanohanana ny mponina amin’ny fotoana maika. Ankoatra izany, nanamafy ny solontena diplaomatika Rosianina fa mbola hisy fanampiana fanampiny amin’ny andro ho avy. Andrasana tsy ho ela ny fahatongavan’ny entana vaovao, ahitana sakafo sy vokatra ilaina andavanandro, ho setrin’ny filàna maika ataon’ny mponina tra-boina. Amin’ity fandraisana andraikitra ity, nambara fa manamafy indray i Rosia ny fanoloran-tenany hiara-miasa amin’ny manampahefana malagasy amin’ny fiatrehana ny vonjy taitra ara-toetrandro sy ara-pahasalamana. Ny tanjona dia ny hanampy an’i Madagasikara hiatrika ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny loza voajanahary. Zava-dehibe amin'ny lafiny maha olona sy ny ara-tsosialy ny fidirana an-tsehatry ny Firenen-dehibe tahaka izao, izay toa misy endrika fifaninana eo amin'ny Rosianina sy ny Frantsay. Mialohan'izao rahateo, dia nandefa iraka ara-miaramila manao tan-tsoroka teknika sy fanohanana amin'ny endriny samihafa ihany koa ny Frantsay. Manan-danja izany ho antsika na eo aza ny adihevitra stratejika sy diplaomatika izay mifanandrify amin'ny dian'ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael any Moscou ary mbola hisy koa any Paris. Ny sary mitranga dia manamafy stratejika ho an'ireo Firenen-dehibe isika, ka ny fahaizana mitrandraka fiaraha-miasa mahomby sy tsy misy fifanambakana no zava-dehibe.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT