Sport

Fanampiana ny taranja Pancrace Niditra an-tsehatra ny Fikambanana FFAM


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Nanampy taranja fanatanjahatena iray hafa indray ny fikambanana F.F.A.M (Force Féminine d'Aide Mutuelle),

 

 ka ny taranja Pancrace Analamanga indray no nisitraka izany. Tonga nitondra ny anjara fanampiana ireo "comité Analamanga Pancrace & submission" ny fikambanana izay tarihin'ny filohany Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle na i Mishah. Tsy mivoana amin’ny taranja hafa rehetra izay efa nosahanina sy nampiana ny tanjona sy ny vina fa ny hanabe sy hitaiza ireo tanora. Eo ihany koa ny ezaka hahatonga azy ireo ho olom-banona, hanampy ny hialan'izy ireo amin’ny zava-mahadomelina sy ny loka. Ny fikambanana dia nanome toky hatrany ireo tanora indrindra ny mpanao fanatanjahatena, fa hanampy  hatramin’ny farany satria izy ireo hoy ny FFAM no ho avin’ ny Firenena ka rariny loatra raha ampiana sy tohanana. Tsiahivina fa efa tontosa ny fifaninanana nasionaly fiadiana ny ho tompondakan’ny taranja Pancrace eto Madagasikara ka mpikatroka mahatratra 28 avy amin’ny ligin’ny Pancrace na antsoina hoe “comité” 4 no nandray anjara tamin’izany. Mpikatroka 20 ho an’Analamanga, 7 ny an’i Vakinankaratra, 6 an’i Boeny ary 5 an’Atsinanana. Ady nahatratra 30 mahery no indray nisesy narahana nitsongana an’ireo mpikatroka mendrika hisolotena an’i Madagasikara amin’ny lalao Pancrace iraisam-pirenena hatrehany. Ny akaiky indrindra amin’izany dia ny lalao hatao any La Réunion amin’ny 29 febroary 2020 ho avy izao ka handraisan’i La Réunion sy Maurice ary Madagasikara anjara.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT