Sport

Fanampiana avy amin’ireo Barea Misy azo ianarana tsara


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Nanome an-kitsim-po i Faneva Ima. Tsy latsa-danja tamin’izany ihany koa ny an’i Adrien Melvin.

 

 

 

Ny faran’ny herinandro teo koa moa no nahatonga ny fanampiany ho an’ireo mpiray tanindrazana aminy ireo mpilalao hafa toa an-dry Abel Anicet sy Ibrahim Amada. Na dia tsy mpanao politika sy mpitondra firenena aza ireto mpilalao eo anivon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra ireto dia hita ho misy azo ianarana tsara ny nataony ka hatramin’ny fomba fitsinjarana ireo fanampiana avy amin’izy ireo. Ny an’i Anicet, ohatra, dia avy hatrany dia navantany tany amin’ireo fokontany nahabe azy toy ny eny Antsahameva sy La reunion kely izay voatsirambin’ny tanany ka ny olona akaiky azy izay heveriny fa efa mahafantatra ireo tena mila fanampiana ao an-tanana no nampandraiketiny ny fizarana. Ny tenany moa monina sy milalao any Bolgaria ka tsy afaka hisahana izay fanaraha-maso izay. Ho an’i Ibrahim Amada, izay milalao atsy amin’ny Al Khor Sport ao Quatar kosa dia ny fianakaviany sy ireo olona akaiky azy ao Ambohitrakely, izay tanana nahabe azy koa, no nampandraiketany ny fizahana ireo tena sahirana sy mila ampiana ao amin’ity fokontany ity. Nomena “Ticket” isan-tokantrano izy ireny ny zoma dia mandeha ho azy fotsiny avy eo ny fizarana fanampiana ny sabotsy. Tsy nisy fanadihadiana lava be sy fampintaniana andro vahoaka mandra-paharivan’ny andro fa ora iray raha lava indrindra dia efa vita ny fizarana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT