Sport

Fanamian’ny Barea Orinasa 3 no hisafidianana


  • Alakamisy 09 Aprily 2020

Namoaka fampahafantarana omaly ny avy eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra fa misy dingana miisa 7 no ahafahana manaiky ny fiaraha-miasa amin’izay mety ho orinasa hanonta ny fanamiana vaovaon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea.

 

 

Tafiditra tao anatin’izany, ohatra, ny fitadiavana izay ho tompon’andraikitra amin’ny lafiny serasera sy ny haivarotra. Teo koa ny fiantsoana ireo orinasa liana amin’izay resaka fampiakanjoana ny ekipam-pirenena izay indray. Natsangana ny komisionina manokana hitily sy hijery ny kalitaon’ireo fanamiana vokarin’ireo orinasa liana amin’izany ary hatreto izany dia orinasa miisa 3 no hanaovana tombana. Eo ny orinasa ERREA, MACRON,  Le cercle by TED. Aorian’ny fitsirihana rehetra dia hivory ireo komity hanapahana izay orinasa ho fidiana. Ampahafantarina amin’ny rehetra kosa izany. hoy hatrany ny FMF, amin’ny fotoanany ka dia mangataka ny faharetan’ny rehetra. Tsara ny mampahatsiahy fa ny 17 aprily izao no tapitra ny fifanarahana amin’ny orinasa nampiakanjo ny Barea teo aloha dia ny orinasa Italianina, Garman, izany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT