Sport

Fanamian’ny Barea Miteraka ady hevitra


  • Talata 04 Jona 2019

Somary miteraka ady hevitra ao anaty tambazotran-tserasera ihany ny fanamiana vaovao isaloran’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barean’i Madagasikara.

 

 

 Tsy izy rehetra akory fa ilay ambonin’akanjo maitso izay misy sarina Aloalo, toy ny nisalorana farany teo. Ao ireo milaza fa tsy dia tsara ampiarahana amin’ny tontolon’ny velona loatra ity kolontsaina hita eny amin’ny fasana Mahafaly sy Antandroy ity satria natao hitantarana ny fiainan’olona iray efa maty   izany. Ao koa anefa ireo milaza fa izay mifanehitra amin’ny Barea any amin’ny CAN izany dia fasana. Tokony mba nanadihady ny anton’io fomba io tany amin’ny faritra nihaviany kosa anefa ny tompon’andraikitra eo anivon’ny federasionina nialohan’ny fanapahan-kevitra, hoy koa ny sasany.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT