Sport

Fanamiana vaovaon’ny Barea Tsy mifanara-tsaina sahady ireo komity


  • Talata 31 Martsa 2020

Variana amin’ny fiparitahan’ny Coronavirus izao tontolo izao sy isika malagasy fa ny eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra koa amin’izao fotoana izao dia efa tonga amin’ilay hira hoe “mandeha ny mandeha”

 

 

 

raha hiresaka mikasika ny orinasa hahazo ny fifanarahana vaovao indray momba ny fanamian’ny ekipam-pirenena dia ny Barea izany. Nitarika hatrany amin’ny fametraham-pialan’ny mpikambana iray eo anivon’ny komity mpandinika izany mihitsy ny tsy fifanarahan-tsaina misy eo anivon’ity rafitra iray ao anaty FMF ity. Tsy iza moa izay nametra-pialana izay fa ny mpikambana, Justin Andriantsoray, izay nilaza fa orinasa tsy ampy traikefa no kasaina hanankinana indray ny fanamboarana ny fanamiana. Ny orinasa TED Holding, raha ny heno, hatreto no kasain’ity komity ity hanaovana ny fifanarahana. Orinasa izay nanomboka ny oktobra 2019 no namokatra izy io, raha ny fantatra, ary orinasa malagasy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT