Sport

Fanamiana vaovao ho an'ny Barea Nilaza ny heviny i Abel Anicet


  • Sabotsy 18 Aprily 2020

Taorian’ny fifaranan'ny fiaraha-miasa tamin’ny Garman namokatra ny akanjo sy fitaovana isaloran’ny Barean’i Madagasikara, dia nisy ny antso tolo-barotra

 

 

 

nataon’ny Federasionina Malagasin'ny Baolina kitra, ka nisy orinasa nambara fa tsara toerana hahazo ny tsenan’asa. Naneho hevitra manoloana izany i Abel Anicet omaly. Amin'ny anaran'ny mpilalaon’ny Barea no hanehoako hevitra mikasika ny “équipementier” na mpamokatra ireo fitaovana ho an’ny ekipa nasionaly. Gaga izahay amin’ny adihevitra sy resaka mikasika io raharaha io, hoy ity kapitenin’ny Barea ity. Izahay mpilalao Barea, izay ny ankamaroany dia milalao aty ivelany dia tsy mahalala izany "Cercle by ted" ho équipementier izany. Tsy àry mbola nahita na taiza na taiza izay mba vokatr'izany orinasa izany, tsy mba toy ny Adidas, Nike... izay mampitafy ny ekipa lehibe. Mahatsapa izahay fa mba azo lazaina fa ekipa lehibe eto Afrika ny Barea koa mangataka izahay mba ho mendrika ihany koa ny fampitaovana omena azy, hoy izy. Aleo mba amin'ireo “marque” lehibe isika no hisafidy sy hanao fifanarahana fa tsy handeha amin’ny hazo tsy fantatra, hoy iAbel Anicet Andrianantenaina tao amin’ny tambajotran-tseraserany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT