Sport

Fanamboarana ny kianjan’ny Barea Misy trosa tsy voaloa, mitaky ny volany ireo orinasa


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Orinasa miisa telo izay “sous traitant” tao amin’ny Kianjan’i Mahamasina (Barea) no mitaraina ankehitriny fa efa herintaona mahery izao no nahavitain’ny asa,

 ary ny fandraisana manontolo na “réception finale” dia efa vita ihany koa, eny na ny “garantie” na antoka an’ny sinona ihany koa aza dia efa tapitra, hoy ny fitarainana. Ankehitriny, mangataka izy ny handoavan'ny Fanjakana Malagasyy ny volan'ireo société sinoa (CSCOD) ireo mba ahafahany mandoa ny volanay izay mitentina 3 miliara Ariary, hoy ireo orinasa. “Marihana fa olona maro dia maro no miandry an’io vola io satria tsy voaloa ny karaman'izy ireo ka eto izahay dia manamafy fa raha tsy voaray aminy farany herinandro ity ny volanay dia hanao hetsika manoloana ny stade Mahamasina izahay. Marihanay eto fa ireo sinoa ireo ihany koa dia sahirana satria efa ao amin’ny “sous gradin” an’ny stade izy ireo no mipetraka nanomboka taminy volana febroary ary araka ny siosion-dresaka henonay dia tapaka ihany koa ny solosaina mibaiko ireo jiro sy ny “écran géant” ao”, hoy io fanambarana io. Tsara 77 387 000 dolara ny teti-bidiny. Mandrak’ity ny androany, toa mbola arahin-trosa fa tsy araka ny fihetsika feno fireharehana nasehon’ny Fanjakana Rajoelina. Lasa mivadika fahafaham-baraka raha ho tahaka izao hatrany ny endriky ny fomba fiasa. Mandeha ny fitokanan-dalana hay ny volan’ny orinasa nanatsara azy misy tsy voaloa, mandeha ny kianja hay mbola misy trosan’olona mandehandeha,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT