Sport

Fanamboarana ny kianja Barea Tsy voahaja ny zon’ireo mpiasa Malagasy ?


  • Alarobia 10 Jona 2020

Misy ako mivoaka avy ao Mahamasina fa iharan'ny antsojay, tsindry, fanambakana miaro lako ireo teratany Malagasy miasa amin'ny fanatontosana ny kianja Barea.

 

 

 

 Mitaraina ireo mpiasa, fa karama tsizarizary, ary fandroahana avy hatrany no ataon'ireo sinoa raha mitaraina. Ny trano fatoriana tsy lazaina intsony, na ireo gadra any ivelany aza mbola manana hajany, hoy ny fanamarihana. Noho ny tsy fananan'ireo Malagasy ireo no hiaretany fa tsy sanatria biby ka ampijaliana sahala amin'izao, araka ny fanehoan-kevitra mandeha. Aiza ireo milaza fa mpiaro ny zon'olombelona ? Sa rehefa jiolahy no voatifitra dia mijoro ianareo? hoy ny hafatra. Ny mpitondra tsy ahitan-teny ihany koa fa ilaozana manenjika ny mpitsikera anaty Facebook fa ireo sinoa ao ireo avela manao izay tiany hatao amin'ilay Malagasy osa sy mahantra, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. Mba hialana amin’ny ahiahy sy hanamarinana ny zava-misy, dia tsara raha manao fitsirihana tampoka ny fanjakana Malagasy eo anatrehan’izany. Azo atao ihany koa ny mandefa mpitsikilo. Tsy azo leferina ny tahaka izany raha tena misy tokoa. Ny Filoha Rwandais Paul Kagame, ohatra, dia vao haingana no nandroaka teratany sinoa 18 noho ny hetraketraka tamin’ny mpiasa nataon’ireo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT