Fanagadrana mpitsara basikety ao Mahajanga

Hihetsika ny mpisehatra ara-panatanjahantena anio


  • Alarobia 24 Janoary 2024

Tsy mbola miravona ny olana eo amin’ny taranja basikety ao Mahajanga

momba ilay fifamaliana teo amin’ny tompona klioba sy mpitsara lalao iray. Niafara tamin’ny fitoriana sy ny fanagadrana an’io mpitsara io noho ny tsy fahafaham-pon’ilay tompona klioba tamin’ny faharesen’ny ekipany. Sady mpitsara lalao no coach eo anivon’ny Internasional Moovafrica, no mampianatra amin’ny anjerimanontolo moa i coach Veve. «Tsy dia tena nipetraka tamin’ny maha Filohan’ny klioba. Rehefa resy ny ekipany, dia nisy ny fifamaliana teo aminy sy ny mpitsara ny lalao. Nisy ny fandrahonana natao tamin’ilay mpitsara hoe : ampahafantariko anao aho raha tsy fantatrao, gadraiko ianao. Noraisin’ny rehetra ho vazivazy, kinanjo nahazo fampanantsoana tany amin’ny polisy tokoa ilay mpitsara lalao, saingy voalaza fa dosie azo alamina, kanefa ny tribonaly nangataka ilay dosie hakarina », hoy ny fanazavan’ny Tompon’andraikitra iray any Mahajanga. Io mpitory io izay voalaza fa olona mahitahita sy manan-katao, ka izay no ahiahian’ny mpitia fanatanjahantena ho antony nanitarany lasa lavitra ny raharaha. « Ny namanay na ny mpitsara na ny mpisolovava izay nijery ny raharaha dia samy naneho fa zavatra azo alamina tsara ity, kanefa dia miafara amin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika. Misy fanaparam-pahefana sy tsindritsindry handetehana olona kanefa ny fanatanjahantena dia tokony ho ao anatin’ny « Fair-play » », hoy hatrany ny fanazavana. Voalaza fa mandeha ny fifampiresahana sy fifandaminana ary fifampiraharahana eo amin’ny andaniny sy ankilany izay hiarahan'ny Federasionina Malagasy momba ny basket ball, ny ligim-paritra Boeny, ny Section Mahajanga sy ireo ligue rahavavy rehetra, ny talem-paritry ny fanatanjaha-tena ary ny Ministera mpiahy, ka fanirian’ny rehetra ny hiravonan’ny raharaha, saingy mbola tsy tonga amin’ny famotsorana hatreto. Noho izany, hisy ny fihetsiketsehana ataon’ny mpisehatra amin’ny fanatanjahantena miala eo amin’ny Direction Régionale des Jeuneuses et Sports ao Mahajanga hiazo ny tribonaly ho an’ny anio hanehoana firaisankiana amin’io mpitsara lalao io ho an’ny anio. Mafampana ny tontolon’ny fanatanjahantena ao Mahajanga amin’izao ka asa izay ho tohiny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT