Sport

Fanadiovan-tena momba ny Lalaon’ny Nosy “Tsy ny habetsaky ny taranja no zava-dehibe…”


  • Talata 23 Mey 2023

Mbola nanadio tena indray ny fitondram-panjakana teo anatrehan’ny petatoko sy tsy fahatomombanana ara-pikarakarana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11, izay efa ofisialy fa hotanterahina eto Madagasikara.

Noho ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fotodrafitrasa sy ara-panomanana, dia nisy ireo taranja 12 najanona raha ny vaovao nalaza, izay niteraka fahadisoam-panantenana goavana ho an’ireo mpilalao sy atleta. 17 izany no lalao hifaninanana hatreto! Nilaza kosa ny Minisitry ny tanora sy ny Fanatanjahantena fa taranja 6 no tsy tafiditra, ary ireo Nosy Rahavavy no misy eritreritra hanao fifaninanana any amin’ny faran’ny taona ho an’ireo taranja tsy tafiditra ireo. Tsy misy ihany koa ny “Village des jeux” toy ny fahita mahazatra, hany ka ny làlan-tsaina ifotoran’ny lalaon’ny Nosy dia ny fiombonana sy firaisankina ho an’ny mpandray anjara rehetra mihitsy no adino. Karazana fanadiovan-tena kosa ny valin-kafatra avy amin’ny fitondrana, izay tsy te hiaiky fa tena nisy olana ara-panomanana, fa dia ny naha voatazona an’I Madagasikara ho mpampiantrano no zava-dehibe. "Dingana lehibe iny famoahana ny sary famantarana teo iny, izay fanehoana ny fahavononan’i Madagasikara,... Tsy ny habetsaky ny taranja hifaninanana no zava-dehibe, fa ny hahazoana vokatra tsara, voalohany ho an’i Madagasikara. Tsy nisy fanilihana ihany koa, fa ny hahatomombana ny fikarakarana ity Lalao ity no tena anton’ny safidy”, hoy ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Atoa Haja André Resampa. Tsy finiavana hanakiana fa tena ity ny Lalaon’ny Nosy ratsy karakaraka sy feno fitavozavoazana indrindra amin’ireo noraisin’I Madagasikara raha ny fanamarihana sy fampahatsiahivana, ary mety ho isan’ny ratsy fanomanana indrindra hatramin’ny nisiany nanomboka ny taona 1979. Fanintelony mampiantrano isika izao 1990 ary betsaka no mampahatsiahy fa tsara kokoa ny fanomanana ireo roa voalohany, izay nitanantsika ny laharana voalohany tamin’ny alalan’ny medaly volamena 56, volafotsy 52, ary alimo 45 izay manome 155, fa ny volamena moa no tena mitondra ny fanakilasiana. Nihatsara ny vokatra ary voalohany hatrany isika ny 2007 satria 235 ny medaly azy ka tafiakatra 100 ny volamena, 79 volafotsy, 74 alimo. Asa hanao ahoana ny vokatra amin’ity? Hahavita tsara kokoa noho ny teo aloha ve? Tsy nandehandeha ho azy vokatra tahaka izany, fa tena nisy fiomanana sy fanomanana herintaona raha kely, saingy ny antsika 3 volana aty aoriana dia izao sary miseho. Na ny fampivondronana ny mpilalao aza mbola baraingo ny sasany. Fiombonana sy firaisan-tsaina no isan’ny làlan-tsain’ny Lalaon’ny Nosy, saingy ny zava-misy aloha dia mandeha ny kiana sy adihevitra, toy ny resaka sary famantarana sy hira faneva. Hatramin’ny sarin’ny sainam-pirenena sy fandaharana ireo Nosy mpandray napetraka amin’ny rindran-tsarin’ny hira faneva nahazoana kiana mivaivay. Tena izao ve no atao hoe: fitantanana manara-penitra?
Legende : Ny hahatomombana ny fikarakarana ity Lalao ity no tena anton’ny safidy, hoy ny minisitra Haja Resampa
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT