Sport

Fanadihadiana momba ny raharaha Sucoma Andrasana anio izay vokany


  • Alatsinainy 23 Martsa 2015


 

Tapitra ny sabotsy teo ilay 72 ora nomen’ny Depiote Hawel Mamod Ali ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Notakian’ity  Solombavambahoakan’i Morondava ity ilay  vola 30 tapitrisa ariary hamatsiana ilay fanadihadiana parlemantera mikasika ilay  fitifirana ny zanak’i Morondava nandritra ny fihetsekitsehan’ny mpiasan’ny Sucoma tao an-tampon-tanànan’i Morondava ny 10 desambra 2014. Efa lany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena io fanapahan-kevitra io ary solombavambahoaka 77 no efa nanao sonia. Hatramin’izao  anefa, tsy tonga eo am-pelatanan’i Hawel Mamod Ali ny vola hamatsiana io fanadihadiana io ka nahatonga azy nanao ilay taratasy fampatsiahivana. Araka ny nambaran’ity farany dia miandry hatramin’ny anio alatsinainy aloha izy  noho ny 72 ora napetrany nifarana ny sabotsy andro tsy fiasana. Raha tsy mahazo valiny mahafa-po ny tenany dia hiditra amin’ny dingana manaraka indray mba ho fiarovana ny zon’ny zanak’i Morondava  izay latsak’aina noho ny fitakiany ny zony nandritra iny fitokonan’ny Sucoma iny.

Andry Ratovo 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT