Sport

Fanabeazam-pirenena Haharitra ny ady amin’ny Tazomoka


  • Zoma 14 Febroary 2020

Mandeha ny tetikasa fizarana lay misy ody moka maharitra natao hiadiana ny tazomoka iarahan’ny avy eo anivon’ny

 

 

minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny fahasalamana ary ireo mpiara-miombon’antoka hafa. Antony, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika, Rijasoa Josoa Andriamanana, dia iaraha-mahalala fa aretina mampitombo ny tahan’ny tsy fahatongavan’ny mpianatra mianatra ary mampisy fiantraikany ratsy amin’ny voka-panadinan’ireo mpianatra ka antony mila hamongorana azy. Efa paikadin’ity minisitera ity sy ny minisiteran’ny fahasalamana hatramin’izay ny fampiasana lay misy ody moka ary nahitana fahombiazana. Efa nahazo ny fiofanana tandrify mikasika izay ady amin’ny tazomoka izay ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisitera, raha ny fanazavana hatrany ka ny fampiharana sisa no tena imasoana. Faritra miisa 6 kosa no hanatontosana izay fizarana maharitra izay dia Vatovavy Fitovinany, Atsinanana, Sofia, Androy sy Atsimo atsinanana ary Atsimo andrefana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT