Fampivondronana ny Barea

Lalina ny tsy fahamatorana


  • Alakamisy 14 Martsa 2024

Tsy azo lavina fa nametraka teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy izany

Romuald Rakotondrabe na Rôrô izany, na fon’izy mbola mpilalaon’ny FC BFV tamin’ny fotoan’androny io na izao izy miditra amin’ny sehatra maha mpanazatra izao. Nahazoan’ny ekipam-pirenena milalao eto an-toerana ny laharana fahatelo tamin’ny CHAN na tompondakan’i Afrika farany teo ary nahazoan’ny Barea ny medaly volamena nandritry ny lalaon’ny nosy 2023 natao teto amintsika ihany koa. Hita ho lalina ihany anefa na izany aza ny tsy fahamatorana amin’ny fampivondronana ny Barea ankehitriny ho fanomanana ny fiatrehana ny tohin’ny fiadiana ny tapakila ho an’ny tompondaka eran-tany. Efa amin’ny herinandro nefa izany, raha ny tetiandro napetraka ho an’izay fanomanan-tena izay, no tokony hiainga ny fampivondronana voalohany hiatrehantsika lalao ara-pirahalahiana miisa 3. Ny androatokon’ireo mpila ravinahitra nantsoina nefa no nilaza fa tsy afaka ny hamonjy izany fampivondronana izany. Iny indray koa omaly fa nisy voalaza fa efa nanamafy ny fahatongavany ho ao amin’ny Barea amin’ny volana jona saingy dia hoe ny ekipam-pirenen’i Kaomoro indray no nofidiany. Ny federasionina koa, matetika etsy ankilan’izay, milaza ny heviny mikasika ny fiantsoana ireo mpilalao ary mampametra-panontaniana mihitsy aza misy fotoana hoe fa iza marina moa izany no tena mpanazatra ity ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra ity, ilay filohan’ny federasionina sa ilay notendrena hisahana izany andraikitra izany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT