Sport

Fampivondronana ny Barea Hahazo sehatra ny mpilalao vaovao


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Na eo amin’ny lohalaharana, na afovoany hatrany amin’ny vodilaharana dia samy ahitana ireo mpilalao zokiny tsy ho afaka ny hamonjy ny fampivondronana voalohany sy faharoa ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra avokoa izany hatreto aloha.

 

 

 

 Amin’ny ankapobeny dia saika noho ny antony hahamehana ara-pahasalamana sy filana azy ireo hiatrika ny taom-pilalaovan’ny kliobany avy no tsy mahafaka an-dry Carolus Andrea izay lohalaharana ao amin’ny Fujaïrah Sports Club, divizionina voalohany ao Emirats Arabe Unis sy Ibrahim Amada, irakiraka afovoany ao amin’ny Al Khor sport, divizionina voalohany ao Qatar. Toy izany koa i Romain Metanire, vodilaharana ao amin’ny Minnesota United FC, divizionina voalohany ao Etazonia. Jerome Mombris, vodilaharana ao amin’ny Grenoble foot 38, divizionina faharoa frantsay, moa dia voan’ny COVID 19 mihitsy. Ny kapiteny Abel Anicet, izay irakiraka afovoany ao amin’ny PFK Ludogorets Razgrad, divizionina voalohany ao Bolgaria, kosa dia tsy afaka noho ny ratra nahazo azy tamin’ny lalao farany natrehiny. Azo lazaina ho vaovao ratsy ny tsy fahafahan-drizalahy rehetra kanefa etsy an-kilany kosa inoana fa hahazo sehatra misimisy ahitana ny tena filalaony ireo mpilalao vaovao toa an-dry Hery Bastian, ao amin’ny Linfield FC, divizionina voalohany ao Irlandy avaratra, sy ry Akim Abdallah ao amin’ny Swift Hesperange, divizionina voalohany ao Luxembourg, ilay hifampitsapa amin’ny Barea ny 9 oktobra izao, ary I Silvio Ouassiero ao amin’ny CS Fola Esch, divizionina voalohany ao Luxembourg ihany koa.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT