Sport

Fampivoarana ny kitra malagasy Hatao isan-taona ny M’foot fokontany


  • Alatsinainy 11 Febroary 2019

Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Alefa Barea tetsy amin’ny Dome Akorondrano dia hotontosaina isan-taona manomboka amin’ity taona ity ny fifaninanana baolina kitra ho

an’olona 7 isam-pokontany ho an’ireo katitakely 13 hatramin’ny 15 taona nampitondraina ny lohateny hoe M’Foot fokontany U 15. Efa nanomboka ny alarobia teo ny fisoratana anarana, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Alefa Barea, Lova Ramisamanana, hifantenana ekipa avy amina fokontany miisa 12, hamarana ny fifaninanana ny 30 martsa ka hatramin’ny 12 mey izao. Ho fampiroboroboana ny kitra Malagasy, hoy ny fanazavana no tanjona sady hanomanana ireo ho taninketsan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra sahady dia ny Barean’i Madagasikara. Etsy amin’ny foiben’ity fikambanana ity etsy Antsahabe sy etsy amin’ny foiben’ny fahitalavitra rahavavy RTA Ankorondrano kosa no hahafahan’ireo izay liana manoratra anarana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT