Sport

Fampitaovana ho an`ny BAREA Ao anatin` ny fivoriana ny komity mpanatanteraka


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Efa tsara petrapetraka avokoa ny fikarakarana rehetra amin`ny fiatrehana ny lalao hikatrohan` ny Barean`i Madagasikara sy ny elefantan`i Cote d`Ivoire. Mialoha izany anefa, mbola niatrika lalao sedra roa isika Malagasy: Luxembourg sy Borkina Faso.

 

 

 Naharesy isika nanoloana ny Swift Hesperange saingy niondrika kosa teo anatrehan`ny borkinabe. “Faly ny mpilalaontsika tamin` ireo lalao ireo satria nahafahan` izy namaritra ny fahaizany. Marihana fa mitana ny lah. faha-59 i Burkina faso eo amin`ny iraisam-pirenena” hoy Alfred Andriamanampisoa, mpikambana eo anivon` ny komity mpanatanteraka (Comité exécutif). Azo laizana fa taim-baolina ireny ka 1 sy 1 ny baolina. Raha matin` I Hakim ny baolina voalohany dia mety niova ny lalao, hoy izy. Nomarihany hatrany fa nilalao ireo kalaza Traore telo miralahy kanefa isika banga enina ireo mpilalao tena matihanina. Nitondra ny heviny izy mahakasika ny savorovoro eo amin`ny fitantanana ny federasionina Malagasy ho an`ny baolina kitra (FMF). “Mandeha ny baolina antsika. Misy ny komity mpanatanteraka izay izay mametraka ao amin`ny fitsipikin` ny CAF sy ny FIFA. Ireto farany no izay mitarika kosa ny fitantanana. Ny CE no mivory ka manolotra ho an` ny fitantanana mba hanatanteraka ny asa rehetra atao.” Mahakasika ny ho avin` ny taranja baolina kitra dia nambarany hatrany fa efa mitsiry ireo “écoles de foot” samihafa. Ny ankamaroany dia ireo mpilalao fahiny no nanangana azy. Notsipihany manokana fotsiny fa tsara kokoa raha dieny izao dia zarina amin`ny “jeu à 11” ireo mpilalao fa tsy mahomby intsony ny “jeu à 5 na à 7”, hoy hatrany Alfred Andriamanampisoa. Momba ny fampitaovana ny Barea indray dia omaly no nanomboka ny fivoriana mahakasika izay. Misy ihany koa ny sary famantarana vaovao. “Aleo hampidi-bola amin` izay ny federasionina mba hialàna amin`ny tsy fisian` ny vola isaky izay mahatsiaro”, hoy hatrany ny fanazavana .

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT