Sport

Fampitana mivantana ny CAN 2019 TVM sy RNM ihany, voarara ny eny an-kalamanjana


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Ny TVM sy ny RNM irery ihany no nahazo ny alalana avy amin'ny CAF amin'ny fampitana mivantana ny lalao amin'ny CAN 2019 eto Madagasikara, hoy ny Tale jeneralin’ny ORTM Belalahy Jean Yves.

 

 Nanapa-kevitra koa ny TVM fa ny feo sy fitantarana amin'ny teny Frantsay no hampitaina fa tsy hisy ny hanao amin'ny teny malagasy. Tsy misy haino aman-jery na iray aza mahazo mandefa mivantana ireo fihaonana 52, na koa handray ny sarin'ny TVM sy ny feo avy amin'ny RNM ka hampita izany mivantana. Araka ny fepetra napetraky ny CAF sy ny UAR izay tompon'ny zo rehetra amin'ity lalao ity koa dia tsy misy mahazo manao fampitana ireo sary sy feo ireo an-kalamanjana eto Madagasikara, ary voarara tanteraka koa ny fampiasana ireo sary ireo mba hanaovana hetsika ara-barotra an-kalamanjana. Ho an'ireo izay mandray sary avy amin'ny "sattelites" koa dia tsy ho afaka hahita ny CAN 2019 izy ireo rehefa mandeha ny lalao fa ho tapaka ny TVM sy ny RNM amin'ireny tolotra ireny. Izao fepetra izao no atao dia ho fanajana ny fifanarahana teo amin'ny CAF sy ny ORTM izay nividy ny sary sy feo, hoy ny fanazavana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT