Sport

Fampitana mivantana ny CAN 2019 Hiresaka amin’ny filohan’ny CAF ny minisitra Tinoka Roberto


  • Alarobia 13 Febroary 2019

Amin’ny faran’ny volana izao ny tenako no hihaona mivantana amin’ny filohan’ny CAF am-perinasa izay fantatsika fa teratany Malagasy ka hidinika ny amin’io resaka io.

 

 

Efa nolazaiko ombieny ombieny fa ny fanomanana ny lalaon’ny nosy 2019 izao no zavatra tena mahamaika antsika ka ambarako etoana, hoy ny minisitra Tinoka Roberto teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena ny alahady teo fa efa “débloqué”ny   vola mitentina  500.000.000 ariary hisahanana ny fanomanana. Ao ny ampahany handoavana ny latsakemboka tokony ho naloantsika tany aloha tany nefa tsy voaloa, ny ampahany hafa hividianana kojakoja handraisana an’ireo atleta hiatrika ny fampivondronana. Raha vonona ireo mpiara-miombon’antoka hanohana ireo atleta Malagasy 240 mianadahy miaraka amin’ireo mpitsara lalao sy “encadreurs” mameno 300 isa azy ireo,  dia halefa hiofana any ivelany izy rehetra ary mihazo an’i Maorisy avy hatrany avy eo. Raha tsy izay kosa dia hanafatra mpanazatra sy manampahaizana manokana “Experts” hampiofana azy ireo eto an-toerana isika.

Efa hita taratra taorian’izao nahazoan’ny Gnvb ny tompondakan’ny CCCZ7 izao ny ampitso sy rahafakampitson’ny Lalaon’ny nosy hatrehantsika. Vao mainka manaporofo ny vokatra azo, hoy ny minisitra fa ny  tanora sy spaoro no hamerina indray ny hambom-po maha Malagasy ka nisantatra izany ny taranja volley-ball.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT