Fampiroboroboana ny Tennis

Mitondra ny anjara birikiny I Miary Zo


  • Alarobia 25 Oktobra 2023

Taorian'ny teny amin'ny Club du CAR izay nahavory ankizy mihoatra ny zato dia tany

Antsirabe indray no notontosaina ny Madagascar Tennis Project nokarakarain'i Miary Zo Rakotondramboa. Fahombiazana no azo hilazana ny fandalovany teto amin'ny kianjan'ny Cercle Mess miaramila raha ny nambaran'ireo mpiofana izany naneho ny hafaliany. Tena ilaina ny zavatra toy izao satria fomba vaovao no nentin'i Miary Zo sy ilay teknisiana mpanofana ireo mpanofana, Thomas Priant izay vaky vava fa tena tsara ny fandraisana. I Miary Zo Rakotondramboa indray dia tsy nihambahamba nampianatra ireo mpanazatra ny fomba rehetra indrindra fa ny fanitsiana ireo fihetsika tsy mety tent ankianja omaly. Tsara ny haavo teknika raha ny eto Antsirabe, hoy i Miary Zo Rakotondramboa omaly . Taratra fa tena olona tsara taiza i Miary Zo ary nobeazina tao amin'ny sehatra tao Antsahamanitra hatramin'izy mbola kely. Tsy nitohy anefa ny ezaka fa dia namidin'ny fiangonana ny toerana na dia ny hanabe ny tanora aza no tanjona. Mivaona izany ary araky ny fiteny hoe loza ho an'izay hiavian'ny fanafitohinana.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT